<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.B. Bradbury</author>
<hymn_number>503</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Tompo tsara ô !
 Tsy azoko valiana
 Izato fitiavanao
 Manafa-pahoriana,
 He, sambatra aho, Tompo ô !
 Fa manana Anao izao,
 Izay tsy mba mety sosotra,
 Na faly hampitahotra
 Ka Hianao no tokiko
 Sy foto-pifaliako.

[V2]
 He, isam-pahoriana
 Izay niantsoako Anao,
 Dia efa novaliana
 Ny hataka izay natao,
 Ny heloko navelanao,
 Ny foko nohavaozinao,
 Ny loza nosakananao,
 Ny ngidiny nesorinao;
 Ny aim-baovao iainako,
 Ka velona ny heriko.

[V3]
 Ka amin'izao sisa izao,
 Mikasa aho Tompo ô !
 Hanao izay nohafaranao,
 Hanaraka Anao am-po.
 Satana dia holaviko,
 Hafoiko izao tontolo izao,
 Rafesiko ny nofoko,
 Fa Hianao, Mpamonjy ô !
 Mpanavotra tsy foiko,
 No sisa hotompoiko.</lyrics>
<title>Ry Jeso Tompo tsara o! FFPM503</title>
</song>